Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
2 Timoty 1.6-12
6 [Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [* Na: [mpampianatra ny jentilisa] 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
2 Timoty 1.6-12
I Jesoa sy ny famonjena
1-Nanao izay handraisantsika ny famonjena Izy
Tsy ny nataontsika na ny asantsika no hisitrahantsika ny famonjena fa « ny fahasoavana izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesoa (and9) .Io fahasoavana io no miantoka ny famonjena antsika . « fa fahasoavana no namonjena anareo » Efe 2.8. Ny fahasoavana dia tombotsoa omena isitrahan’ny olona tsy mendrika . Tsy mendrika hovonjena akory isika raha ny toetrantsika saingy noho ny fahasoavana dia afaka misitraka ny famonjena isika . Tonga tamin’ny alalan’i Jesoa ny fahasoavana (Jao 1.17) iay miantoka ny famonjena , ka noho io fahasoavana io fa tsy noho ny toetra tsara ao amintsika no nandraisantsika ny famobjena . Sahy isika ka dia miteny hoe: « azoko antoko ny famonjena ».
2-Nijaly sy nanaiky ho faty hamonjy antsika Izy
Miverina indro eto ny filazan afa ny famonjena ny olona dia amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Jesoa (and9,10). Ny Apostoly Paoly , ao amin’ny Epistiliny , raha milaza hoe:hoe: Jesoa Kristy dia ampiharihariany ny voninahitra sy ny fandresen’i Jesoa , fa raha mampiasa ny Kristy Jesoa kosa Izy dia niteny milaza ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana niaretany izany . Koa ny Kristy Jesoa eto dia mitaona antsika hihevitra , fa tsy azoazo foana ny famonjena . Tamin’ny fahoriana sy fijalian’i Jesoa . Raha hizara famonjena isika , dia aoka hanampo fahoriana tahaka an’i Jesoa , ary aza menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Jesoa nijaly fa famonjena antsika izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM