Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Salamo 25.1-7
1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. 5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. 7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Salamo 25.1-7
Hijoro tsy amin-kenatra ianao!
1-Tsarovy ny teny nataon’ny Tompo taminao
« Andriamanitra ô, ianao no itokiako , aoka tsy ho menatra aho » (and 2a). Ny matoky dia mino no heviny . Tsy izany ihany , fa hoy koa izy :« eny , tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao « (and3a) . Ny miandry kosa dia mitovy hevitra amin’ny hoe: manantena . Toy ny miteny ilay mpino hoe: ianao no inoako , ka matoky aho . Koa manantena aho fa tsy hitsanga-menatra amin’ny adiko rehetra sy amin’izay manjo ahy ! Samy tsy tongatonga ho azy anefa na ny finoana (matoky) na ny fanantenana (miandry ), satria ny teny fanomezan-toky dia efa nataon’ny Tompo taminao . Tsarovy ireny dia hatoky sy hino ary hanantena ianao , ka tsy avelan’ Andriamanitra hitsanga-menatra amin’ny adinao rehetra .
2-Miaike ny helokao sy ny fahotanao
Ny and 6-7 dia milaza fifonana sy fiaiken-keloka . Ho an’izay tsy te-hitsanga-menatra dia mazava tsara ny fomba hizorana ho amin’izany , ankoatra ny voalaza teo aloha : miaike heloka, andeha hifona amin’ny Tompo mba handraisantsika famelankeloka , ka hosaronany ny fahotantsika mba tsy ho tazana ary tsy ho hita . Amin’izay tsy hiseho ho hitam-bahoaka ny ota sy ny fahalementsika mety hahamenatra , satria voasarona .
Fanontaniana:
Ahoana ny fahatakaranao ny hoe: « Sambatra ny olona izay …voasarona ny fahotany « ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM