Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo

Amosa 7 : 10-17
1 [Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo

Amosa 7 : 10-17

Ho an’ireo firenena vitsivitsy eto ambonin’ny tany izay nametraka ao anatin’ny lalàm-panorenany ny fanasarahana ny fivavahana sy ny fanjakana, dia fidina tsara ny toerana azo itoriana ny finoan’ny tena. Ny tena vavolombelona kosa anefa dia :

1-Vavolombelona amin’ny toerana rehetra aleha (and 12-13)

Eto i Amosa Mpaminany dia tsy menatra ny maha- vavolombelona azy , na teo anatrehan’ny Mpanjaka , izay mpitondra Fanjakana tamin’izany , na teo anatrehan’ny mpisorona rahateo, izay mpitondra fivavahana tamin’izany , na dia norarana mafy aza izy eto hoe :« Maminania any, fa aza maminany eto Betela intsony fa fitoera-masin’ny Mpanjaka sy tranom-panjakana ity ». Tahaka an’i Jesoa na aiza na aiza toerana nisy Azy, dia vavolombelona dia tahaka izany koa isika. Raha tsy fidiana ny toerana iasana, inona kosa ary no holazaina ?

2- Vavolombelona milaza ny marina na dia mahamenatra aza (and 17 )

Natokitoky foana ireto vahoakan’Andriamanitra ireto ,satria nihevitra izy ireo, fa rehefa mbola eo ny Tempolin’i Jerosalema , izay marika hita maso ny  fanatrehan’Andriamanitra (II Tan 7:16), dia tsy ho resin’ny fahavalo mandrakizay izy na inona na inona no fahotana hataony: mijangajanga, manompo sampy, mangalatra , manambaka ny namany sns. Mazava anefa ny faminaniana eto , fa loza no ho vokatra izany “Ny vadinao hijangajanga, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavo-tsabatra”. Ary dia nihatra ara-bakiteny izany faminaniana izany taty aoriana.Koa aoka àry isika hitandrina hatrany ny didin’i Jesoa , ary ho vavolombelon’izany fa tsy ho menatra.

Fanontaniana:

Nahoana no mitombo ny olona misara-panambadiana amin’izao fotoana izao?

P.Ndr