Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo 

2 Korintiana 1.3-7
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, 4 Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay. 5 Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7 Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

2 Korintiana 1.3-7

Ny Fampiononana

1-Ahazakana  fahoriana 

Raha jerena  dia miverina imbalo ny teny hoe: « mampionona na fampiononana » eto .Eo anatrehan’ireo  mitondra fahoriana  sy fijaliana dia vao mainka  mihamahery  ny mpiara-dia  amin’ny Tompo . Manampy  azy ireo  hahazakany  fahoriana  ny fampiononana azy ireo  . Ny teny hoe: « mampionona » dia midika  hoe: mitoetra eo anilan’ny olona  anankiray  ka mampahery  sy manampy   azy   eo   anaty  fotoam-pahasahiranana . Andriamanitra  no tena mahatanteraka  izany  andraikitra  izany   amin’ny fanirahany ny Fanahy masina  hitondra  fampiononana ho  an’ny zanany .

2-Manorina fanantenana

Niainan’i Paoly  teo  amin’ireo  zava-manahirana  maro  efa nitranga  teo  amin’ny  fiainany  fa tsy misy fahoriana  mihitsy  na dia ireo  izay  tena  maharary   indrindra  aza, afaka  hampisaraka  ny mpino  amin’ny fanantenana  sy  ny fikarakaran’ny Tompo  . Manomana  valimpitia  lehibe  ho azy ny Tompo  . Toy izany koa isika  arakaraka ny handalovantsika fotoan-tsarotra  no  vao mainka  velombelona  ny fanantenantsika  handresy .

Fanontaniana :

Lazao  ireo  andinin-tSoratra masina  ho  fampaherezana  ireo mandalo fijaliana

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM