Mandresy fijaliana ny vavolombelon ‘ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon 'ny Tompo
Jaona 16.25-33
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr. ora] 26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; 27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho. 28 Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray. 29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao. 31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny? 32 Indro, avy ny andro*, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [*Gr ora] 33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. At? amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.Mandresy fijaliana ny vavolombelon ‘ny Tompo
Jaona 16.25-33
Mandresy ny fijaliana ny mpino satria:
1-Manana mpihaino vavaka
Hoy i Jesoa :« Amin’izany andro izany dia hangataka amin ‘ny anarako hianareo, ary tsy milaza aminareo aho fa Izaho hangataka amin’ny Ray ho anareo » (Jao 16.26) . Mahantra tokoa ny kamboty fa tsy mba manana hitarainana , mahatsiaro ho manirery . Tsy mba toy izany isika fa eo i Jesoa sady mihaino vavaka no mitady ny fomba rehetra hahazoantsika valimbavaka . Tafita any amin’ny faratampony ny hetahetantsika ary vonona hanaporofo hatrany ny fitiavany antsika Izy (Jao 16.27). Sady mihaino Izy no vonona hitondra valimbavaka .
2-Miaraka amin’ny mpandresy
Mahafehy tsara ny sehatra sy ny olana misy eo amintsika ny Tompo . Na mosary , na fanenjehana , na fanalambaraka , na fijaliana eny hatramin’ny fasana aza dia efa resiny . Hamafisiny izany manao hoe: « aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana , nefa matokia , hoy Izy , Izaho efa naharesy izao tontolo izao « . Toky no omeny antsika . Ny hany andrasana amintsika dia ny fanankinana feno eo Aminy ny fiainantsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM