Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo.
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo.
Fitomaniana 3,31-33
1 [Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo.
Fitomaniana 3,31-33
Azo antoka ny fandresena satria:
1-Ny fijaliana mandalo
Mazava tsara ny Fit.3,31-33 izay manambara fa tsy hanary mandrakzay ny Tompo ary tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona.Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza ny mpino dia voafetra ihany izany satria ny Tompo miantra sy miasa ho an’ny mpanompony.Hoy Izy hoe: »Izaho mahalala izay hevitra hiheverako anareo dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany ».
2-Ny famindrampon’Andriamanitra mitoetra
« Dia mbola hiantra ihany Izy araka ny haben’ny famindrampony »(Fit.3,32). Io famindrampon’Andriamanitra io no manazava ireo fahombiazana sy fandresena samihafa eo amintsika.Io no tsy mahalany ritra antsika.Ny ran’i Jesoa Kristy latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanova ny fahatezeran’Andriamanitra ho tonga famindrampo tsy mety lany.Hery lehibe ho antsika io haben’ny famindrampon’Andriamanitra io,kanefa aoka tsy hararaotina hanatanterahana ireo filàna maro samihafa.Mahaiza manome voninahitra ny Tompo mifanaraka amin’izany.
Fanontaniana:
Inona avy ireo fomba fiady mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra entina mandresy ny fahakiviana?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM