Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo

Asan'ny Apostoly 7,51-56
1 Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Asan’ny Apostoly 7,51-56

Ny mampiavaka ny mpandresy

1-Manana fahasahiana

Tsy nisalasala i Stefana nanambara mivantana ny toetran’ireo nifanatrika taminy:Mafy hatoka,tsy voafora fo sy sofina,manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva,mpanenjika ny mpaminany,mpamadika,mpamono.Hita araka izany fa manana fahasahiana feno i Stefana.Ankehitriny dia tsikaritra  fa na dia fantatry ny mpitarika sasany aza ny ditran’ny ondriny dia sadaikatra izy hanitsy sy hananatra.I Jesoa ihany koa dia nilaza mivantana ny toetr’ireo Fariseo sy mpanoradalàna mpihatsaravelatsihy.

2-Manana fanantenana

Ny olona tsy manana antoka ny fiainana mandrakizay dia mihorohoro eo anatrehan’ny fahafatesana.Tsy mba toy izany i Stefana fa vao maika nanamafy ny fanantenany ny lalan-tsarotra natrehany.Ny voninahitr’Andriamanitra no hitan’i Stefana ary feno ny Fanahy izy.Mandresy ny fijaliana ny fanantenana.Toy izany koa isika:fantaro fa ny anton’ny ady izay atrehantsika dia izay hahatonga antsika ho mpandresy.Aoka tsy ho kivy fa fantaro ny fikasan’ny Tompo izay manomana  hoavy mamirapiratra ho anao.

Fanontaniana:

Moa misy manana fahasahiana sy fanantenana tahaka an’i Stefana ve  ny ankamaroan’ny mpitory Filazantsara ankehitriny?