Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo 

Genesisy 39.19-23
19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

Genesisy 39.19-23

Ny fandresena ny fijaliana dia:

1-Noho ny  famindrampon’ Andriamanitra 

Voalaza  ao  amin’ny and 26 « Fa Jehovah  momba an’i  Josefa sy  mamindra fo taminy  ka nampahita  fitia azy teo imason’ny mpitandrina  ny tranomaizina « .Tsy  avelan’ny  Tompo hiady irery ny mpanompony . Manomana fandresena miezinezina Izy  ,miara-dàlana amin’ny fanatrehan’ny  Tompo  mandrakariva ny  famindrampony sy ny  fitiavany  indrindra rehefa mijoro  amin’ny fahamarinana isika .

2-Noho ny fanambinan’ Andriamanitra 

Voasoratra fa : »Jehovah nomba an’i Josefa ary izay nataony  dia nambininy ». Ilay tranomaizina izay natao hahakivy, hampitanondrika dia nanjary nahatsapana ny fanambinana avy  amin’ny avo indrindra. Izy Tompo no manova ny fotoan-tsarotra ho tonga fandresena araka ny  teniny  hoe: « ny  zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra « . Toy izany  koa isika , na dia eo  aza ny  olana maro samihafa dia afaka miandrandra ny fanambinan’ Andriamanitra hatrany  isika.

Fanontaniana:

Tanisao ireo fotoan-tsarotra nodiavinao izay novan’ny Tompo  ho  fandresena miezinezina  .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM