Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Aogositra 2017
Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
Romana 8.14-17
14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Romana 8.14-17
Famantarana ny maha- Zanak’ Andriamanitra
1-Tarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra
Eto dia misy karazana fanahy roa izay mandrirotra ny olombelona . Ny iray fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra (and15a) , ny iray kosa fanahin’ny zanaka natsangana (and15b). Tamin’ny alalan’io fanahy io dia voatsanagana ho zanany izay nandray Azy . Amin’izay ataony rehetra dia mametraka mandrakariva ny Fanahy masina no mpitari-dàlana .
2-Mpiray lova amin’i Kristy
Eo amin’ny fianakaviana dia tsy afaka handova amin’ny olona iray ny zanaky ny mpiray tampo aminy , saingy raha voatsangana kosa aty aoriana dia mahazo anjara amin’izany lova izany . I Kristy dia zanak’ Andriamanitra lahitokana . Nanolotra ny ainy Izy mba hamonjy izao tontolo izao . Nanome hery ho an’izay rehetra nandray Azy mba ho tonga Zanak’ Andriamanitra, dia mpandova amin’izay manomboka eo , ka afaka miara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra . Raha te- ho Zanak’ Andriamanitra àry dia tsarovy fa tsy maintsy manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ary manantena fa handray ny lova izay nampanantenanin’ Andriamanitra homeny izay tia Azy rahatrizay .
Fanontanaina :
Hatraiza ny fahatsapanao izany hasarobidin’ny hoe : mpiray lova amin’i Kristy izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM