Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Genesisy 31.36-40
36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao? 37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy, 38 Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho. 39 Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina. 40 Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Genesisy 31.36-40
Ny vavolombelon’ny Tompo
1-Miaina amin’ny fahamarinana
Nahatezitra fatratra an’i Jakoba ny fanenjehana nataon’i Labana azy . Nasehon’i Jakoba anefa fa marina izy . Ny fisavana anaty tamin’ny tao an-tranony sy ny entany dia nanamarina izany ( 31,37). Nanatontosa ny asany tamim-pahamarinana izy . Ary toy izany ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tamin-kitsimpo sy fahamarinana . Meteza ho toy izany koa eo amin’ny asa napetraka aminao , mba ho olona tena mahatoky .
2-Miaina amin’ny fahatokiana
Nanatsara ireo teo an-tànany izay fananan’i Labana no nimasoany , izany hoe : tena azo hametrahana fitokisana tanteraka, ka amin’izany dia mandry ivohon’ny vato mihitsy ny tompom-pananana ary araka ny fantatsika teo dia nandritra ny roapolo taona , izany hoe : fotoana maharitra no niainan’i Jakoba tamin’izany fiainam-pitokisana izany fa tsy mandalo fotsiny ihany .Ny hafatra hafa ihany koa anefa dia izao : na dia manao ny mety aza isika dia hisy foana ny manenjika, nefa tsy atao mampivalaketraka izany ,satria isika dia miara-dàlana amin’ilay Tompo hatrany ka mampandresy antsika Izy .
Fanontaniana :
Hatraiza ny fiainanao amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana eo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM