Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Aogositra 2017

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Romana  8.14-17
14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Romana  8.14-17

Famantarana  ny maha- Zanak’ Andriamanitra

1-Tarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra

Eto  dia misy  karazana  fanahy roa izay  mandrirotra  ny olombelona . Ny iray  fanahim-pahandevozana ho  amin’ny tahotra (and15a) , ny iray  kosa  fanahin’ny zanaka natsangana (and15b). Tamin’ny alalan’io fanahy io  dia voatsanagana ho zanany  izay  nandray  Azy . Amin’izay  ataony rehetra dia mametraka mandrakariva ny Fanahy  masina no mpitari-dàlana .

2-Mpiray  lova  amin’i Kristy

Eo  amin’ny   fianakaviana  dia  tsy afaka handova   amin’ny olona iray   ny  zanaky   ny  mpiray  tampo  aminy  , saingy  raha voatsangana kosa aty aoriana dia mahazo  anjara  amin’izany lova izany . I Kristy  dia zanak’ Andriamanitra lahitokana . Nanolotra ny ainy Izy  mba hamonjy  izao  tontolo  izao  . Nanome hery  ho an’izay  rehetra nandray  Azy mba ho  tonga Zanak’ Andriamanitra, dia mpandova  amin’izay  manomboka  eo  , ka afaka  miara-manjaka  amin’i Kristy  ao  amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra . Raha te- ho  Zanak’ Andriamanitra àry dia tsarovy  fa tsy  maintsy  manaiky   ny fitarihan’ny Fanahy masina  ary manantena  fa handray  ny lova  izay nampanantenanin’ Andriamanitra homeny  izay tia  Azy rahatrizay  .

Fanontanaina :

Hatraiza  ny fahatsapanao izany  hasarobidin’ny hoe : mpiray  lova  amin’i Kristy izany ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM