Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .
Daniela 3.19-30
19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. 21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; 22 ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra] 23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. 24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. 25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia at?. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. 27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. 28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Daniela 3.19-30
Lehibe mihoatra noho ny sariolona volamena mirefy 30 m ny haavony sy 3 m ny sakany , nataon’i Nebokadnezara Andriamanitra . Tsy vitan’izany fa:
1-Mamonjy ny mpanompon
Ny fahatokian’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego an’ Andriamanitra (and16-18) no tsy mampanan-kery ny afo hampaninona ny tenany . Na dia toa tafakatra faran’izay mafy aza ny afo na ny olana sedraina dia tena miara-mandeha amin’ny mpino Andriamanitra ( and 25), ka manafaka amin’ny loza rehetra ,saingy mahasolafaka ny mpampahory kosa (and22). Marina amin’ny mpino ny hoe: « na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao , dia tsy hihatra aminao izany » Sal 91.7 .
2-Mambabo ny mpitondra fanjakana
I Nebokadnezara mpanjaka mihitsy no nahita ny famonjena azy telo lahy ka niantso ny mpiara-miasa aminy rehetra avy eo (and27) . Manaiky fanindroany an’ Andriamanitra ny mpanjaka eto (2,47;3,28-29). Nanompo sariolona volamena izy kanefa tonga nampanaiky an’ Andriamanitra indray . Didim-panjakana mihitsy no navoaka ary toa nitsimbadika amin’izay manao zinona an’ Andriamanitra ny fanamelohana . Na iza na iza toa ambony sy manana ny voninahiny dia mbola hiondrika eo anatrehan’i Jesoa Kristy lehiben’ny mpanjakan’ny tany .
Fanontaniana: