Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .
Joba 42.10-17
10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy. 11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;] 12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy. 13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy, 14 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka. 15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy. 16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza. 17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana*.[Heb. voky andro]Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Joba 42.10-17
Na dia teo aza ireo fitsapana mahamay nahazo an’i Joba : maty anaka , rava fananana, voan’ny aretina, nilaozan-kavana…dia voavaly mazava ihany ny fanontaniana hoe: : »moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? » Gen 18.14.
Fahoriana nody fiadanana!
1-Voatahy nihoatra ny voalohany
Avy roa heny noho izay nananany teo aloha no nomen’ Andriamanitra an’i Joba ankehitriny . Ireo havany sy namany rehetra izay tsy nisy hita tamin’ny fahoriany dia tonga namangy azy avokoa . Tsy marina ny nambaran’ireo naman’i Joba fa fahotana no nahatonga ny loza . Manana fomba maro Andriamanitra hamadihana ny fiainany ho tsara indray . Mariky ny fahatokisan’i Joba an’ Andriamanitra izany . Izay maharitra amin’ny fizahantoetra no ampodian’i Jehovah ho amin’ny fifaliana toy izao (ampitahao Joba 8.7; Sal 66.12).
2-Tratrantitra ela niainana
Nanatombo 140 taona taorian’ny fizahantoetra ny andro niainan’i Joba . Mampahatsiahy ny fahaelavelon’ireo patriarka tany aloha izany . Ny fiverenan’ireo zanany folo mianadahy dia manamafy izany rahateo . Midika izany fa tsy ho lany ny taranaky ny marina ary ho faly hahita ny ravan’ny zafiny izy (ampiyahao Sal 128.5-6). Mariky ny fitahiana sy ny teny fikasana avy amin’Andriamanitra ny andro maro (Efes 6.2) .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM