Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .
2 Timoty 4.6-8
6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
2 Timoty 4.6-8
1-Ankehitriny , fiainam-panolorantena (and6)
Vonona tanteraka ny Apostoly Paoly ny hitsena ny didim-pitsarana hanamelohana azy ho faty tsy ho ela . Afapo tamin’ny fanompoany izy , ka dia manolotra ny ainy eo amin’ Andriamanitra . Tsaroana i Jesoa Kristy izay nalainy tahaka , izay toy ny fanatitra atolotra teo ambony hazo fijaliana . Fanolorantena toy inona kosa no maha-vonona anao ankehitriny ?
2-Ny lasa , fiainam-panompoana (and7)
Tsy nanenenany ny lasany . Miaramila , atleta , mpiambina no sary telo nanehoan’i Paoly ny fatokiany tsy niova an’i Jesoa . Ny fiainany mihitsy no ambara fa tanteraka . Ny herin’ny Tompo irery ihany no nahafahany nanao izany . « Hevero ka lazao , lazao izay mba vitanao » (FFPM 353). Hoy i Jesoa : « vita »teo ambony hazo fijaliana .
3-Ny ho avy , fiainam-pandresena (and8)
Efa matoky ny fandreseny i Paoly . Valimpitia atolotr’ Andriamanitra ho an’izay matoky azy ny satroboninahitry ny fahamarinana , dia ilay fiainana mandrakizay . Tapitra ny adin’ny mpino ary mibata fandresena miezinezina izy rehefa miseho Ilay Jesoa Kristy Mpitsara marina (Rom 8,18,21). Miombona fandresena avokoa ny mpino mahatoky rehetra .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM