Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .

Genesisy  3.7-10
7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. 8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha. 9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Genesisy  3.7-10

Ny fahalavoana

1-Tsy  mahavonjy  tena ny olombelona

Dia nahiratra ny masony , fantany fa nitanjaka izy  . Tsy azo ampitahaina amin’ny fitanjahana eo amin’ny 2.25 ity . Nanjary fanamelohana ny fahafantarana  ny  tsara sy ny fahitana  ny ratsy . Tahotra fa tsy  fanenenana no navalin’i Adama (and 9-10) . Vao mainka  aza niezaka nanalavitra an’ Andriamanitra tamin’ny fierena no natao .Tsarovy anefa , « sambatra izay miambina ka miaro  ny fitafiany , fandrao  mandeha mitanjaka izy  , ka hita ny fahamenarany » Apo 16.15

2-Andriamanitra manatona

Na dia eo aza izay rehetra mety ho endriky ny fahalemen’olombelona , tsy nanalavitra azy mihitsy Andriamanitra . Indro  Andriamanitra , manatona , manakaiky , miantso  ary nanontany hoe: « aiza moa ianao? ». Feo malefaka , tsy mibedy  , vonona handray sy hamindra fo  , mitory  fahatsarana ary miseho  mivantana  amin’ny olona . Efa  fomban’ Andriamanitra hatramin’ny fahariana mihitsy ity  manatona antsika ity . Ilay Zanak’ Andriamanitra no nanatona antsika olombelona mpanota .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM