Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompontsika

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompontsika

2 Korintiana 12.7-10
7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo*, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[*Na: Notsatohana hazo maranitra ny nofoko] 8 Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko. 9 Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. 10 Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompontsika

2 Korintiana 12.7-10

Mihamafy  ny fanazavan-kevitr’i Paoly tamin’ny maha-Apostoly azy  . Raha toa ka mirehareha amin’ny amin’ny fahefany sy ny tanjany ireo Apostoly sandoka  i Paoly kosa amin’ny fahalemeny . Ny fahasoavana sy herin’i Kristy kosa no momba azy hatrany .

1-Ny fahasoavan’i Kristy ( and 7-9a)

Tsy nety  afaka tamin’i Paoly ny « tsilo » izay nampijaly  ny nofony . Toa an’i Kristy nangataka ny hanesorana ny kapoaka taminy  tao Getsemane (Mar 14.32-41 ) dia tsy nesorina taminy izany . Ny fahasoavan’i Kristy kosa ampy  haharetany  sy hahazakany izany . Io fahasoavana io  no  miaraka aminy maharitra . Arakaraka ny fahalemen’ny mpino  no mampatanjaka ny fahasoavan’ Andriamanitra . Mitondra fahasambarana araka ny 1 Petera 4.14 .

2-Ny herin’i Kristy (and 9b-10)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM