Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
Lioka 17.20-30
20 Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, et?! na er? ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] 22 Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo. 23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, er? ! na: Indro, et?! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy. 24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny, 25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity. 26 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: 27 nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. 28 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; 29 fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. 30 Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Lioka 17.20-30
Fanontaniana sadasada nataon’ireo Fariseo efa resy lahatra fa tsy i Mesia i Jesoa : »Aiza ary oviana no hihavian’ny fanjakan’ Andriamanitra ? « . Azontsika handraisana lesona anefa ny valitenin’i Jesoa , fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ety , tsy ery.
1-Aiza? Ao anatinareo ?
Tsy zavatra hita maso sy mirentirenty toy ny fiavin’ny mpanjakan’ny tany ny fanjkan’ Andriamanitra . Ny finoana ao anaty no handraisana azy . I Jesoa Kristy tsy maintsy nijaly ary mitondra ny otantsika rehetra no fisehony amintsika . « Ny zanak’olona tsy amintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sady hovonoiny « Lio 9.22. Ny faratampon’ny sitrapon’ Andriamanitra dia i Kristy maty noho ny fahotantsika .
2-Oviana ? Amin’ny fanarahana an’i Kristy
Andron’i Jehovah na andron’ny zanak’olona no hiantsoana ny fanjakan’ Andriamanitra . Andro hisehoan’i Jesoa Kristy , andro famonjena , nefa andro mahatahotra sy mampangorohoro , hampisehoana miharihary izay nataon’ny olona . I Noa sy i Lota dia nisafidy hanao ny marina , nihaino tsara ny Tenin’ Andriamanitra , voavonjy tamin’ny loza . Mila mivonona hatrany , satria ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy fotoana , na andro ho an’ireo mitozo amin’ny fanarahana ny lalàn’i Jesoa . Io ilay làlan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa , io no mitondra any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .
Fanontaniana:
Raha ho avy i Kristy , efa vonona ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM