Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
Eksodosy 13.14-16
14 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana; 15 ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako. 16 Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Eksodosy 13.14-16
Tànana mahery no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta , tamin’ny trano nahandevozana
and 14)
Tanana mahery
1-Hanokanana ny voalohan-teraka
Nanjary lalàna ny hanokanana ny voalohan-teraka rehetra ho an’i Jehovah . Tsy noho ny namonoana ny lahimatoa tao Egypta anefa fa noho ny tànana mahery izay namonjy ny Hebreo . I Jesoa Kristy dia voalohan-teraka natolotra ho an’ Andriamanitra araka ny Lioka 2.23 . Nanjary voalohan-teraky ny zavatra rehetra Izy indrindra lahimatoan’ny maty ,ny fitsanganana ary ny famonjena . I Jesoa Kristy izany « Ilay tànana mahery » manatsotra ny tànany hamonjy antsika . Koa meteza hifandray Aminy .
2-Atao ho famantarana
Lehibe ny famonjena hotsaroana isan-taona , ampitaina amin’ny taranaka fara mandimby ary ho famantarana eo amin’ny sandry sy ny handrina (and8-10). Ny momba ny filakitera izay hoditra apetraka amin’ny sandry havia sy eo amin’ny handrina mirakitra ireo lalàna ho famantarana (Eks 13.1-16; Deo 6.4-9; 11; 13-21). manaraka amin’ny andavanandrom-piainan’ny mpino mihitsy ny fahatsiarovana ny famonjen’ Andriamanitra . Raiso , iaino ary ampitao ny tànana maherin’ Andriamanitra miasa ho anao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM