Manaiky fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Aogositra 2017
Manaiky fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
Hebreo 5.4-10
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona. 5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7); 6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). 7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany] 8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, 10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."Manaiky fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Hebreo 5.4-10
Fanompoana miavaka ny fanompoan’i Jesoa Kristy . Mihoatra ny Mpisoronabe izay mpisoron’ Andriamanitra Avo indrindra sady Mpanjakan’ny fiadanana, toa an’i Melkizedeka aza (Heb 7. 1-3). Ny fanompoan’i Jesoa :
Fanompoana tanteraka
1-Avy amin’ Andriamanitra (and 4-6)
Ny fanambarana roa avy ao amin’ny Salamo (2,7,110, 4) dia samy maneho ny firaisan’i Kristy amin’ Andriamanitra . Tsy maneho fiombonana amin’ny Ray (Jao 10.30,14.9; 8.54) fotsiny anefa fa tena tafiditra ao amin’ny fahatanterahan’ny drafitrasam-pamonjen’ Andriamanitra mihitsy . Tsy misy azo oharina amin’izay fanompoan’i Kristy . Fanompoana tanteraka avy amin’ny Ray . Koa tsy azo sandohana .
2-Nitondra fahoriana (and7-10)
Tonga loharanon’ny famonjena i Jesoa Kristy noho ny fankatoavany ny Ray . Fadiranovana sy nangorohoro Izy tamin’ny nanekeny ny kapoaky ny fijaliana ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana . Nizaka ny vesatry ny fitsarana noho ny otantsika Izy . Fa « izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika , mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika (2 Kor 5.21) . Ho an’izay mitondra fahoriana tsy zaka sy mafy tsy eran’ny aina . Tsarovy i Jesoa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM