Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
2 Korintiana 1.8-11
8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; 9 eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. 10 Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa, 11 satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
2 Korintiana 1.8-11
« Ary Izy no nahafaka anay tamin’izao fahafatesana lehibe izao , ary mbola hanafaka ihany , eny Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa » (and10)
Andriamanitra izay manangana ny maty
1-Manafaka amin’ny fahafatesana
Ambara eo amin’ny and 8 fa manambara an’i Paoly tany Azia ny fahafatesana , ary tsy nanampo ny ho velona intsony Izy . Loza mahatsiravina no ambaran’ny fahafatesana. Andriamanitra , ilay efa nitsangana tamin’ny maty ihany no manafaka amin’ny fandriky ny fahafatesana . Afaka mihoatra amin’izay hery sy tanjaky ny olombelona Izy , eny na dia mihoatra noho ny zakany aza, hoy i Paoly (and8) . Efa hitan’i Jesoa Kristy ny fahafatesana . Koa hainy tsara ny manavotra ny olona amin’izany .
2-Fanantenan’ny ho avy
« Mbola hanafaka ihany , eny Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa » . Matoky ny amin’ny ho avy manontolo i Paoly , na dia fantany aza izy . Andriamanitra izay manangana amin’ny maty hatrany no nitsangana teo anilany raha nisedra olana izy (2 Tim 4.16-17) . Ny vavaka aton’ny mpino no hirotsahan’ny fahasoavana . Manana anjara toerana lehibe ao amin’ny hoavintsika ny vavaky ny marina.
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM