Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Efesiana 6.14-20
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Efesiana 6.14-20
Miaramila tsaran’i Kristy
Miaramila tsaran’i Kristy . Nampiasain’i Paoly izany solon’anarana izany mba hilazany ny tenany sy hilazany izay rehetra voairaka ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara . Ny miaramila tsaran’i Kristy dia:
1-Vonona hiatrika ady mandrakariva
Toy ny miaramila vonona hiatrika ady no sary hanehoan’i Paoly ny olona manaiky ho iraky ny Tompo eto . Tsy basy aman-tafondro anefa , na irony akanjo fitondra amin’ny ady fahita mahazatra irony no hisalorana sy eny an-tànana fa fahamarinana , rariny , fahavononam-panahy , finoana , famonjena , Tenin’ Andriamanitra . Ireo no tsy maintsy ananana raha hamita iraka amin’ny Anaran’i Jesoa satria irahina hiady amin’ny fanahy ratsy sy ny fahamaizinana mandrakotra izao tontolo izao .
2-Manana fifandraisana amin’ny Tompo mandrakariva
Endriky ny fifandraisana mivantana amin’ Andriamanitra ny vavaka sady fiankinana Aminy . Tahaka ny miaramila izay tsy maintsy manana fifandraisana matetika amin’ny lehibe mpitarika azy no tsy maintsy ifandraisantsika amin’ny Tompo izay maniraka antsika . Iraka solon’i Kristy isika ka tsy maintsy mifandray Aminy mandrakariva . Tsy tokony hadinoina koa fa mila mivavaka ho an’ireo iraka namantsika koa isika amin’ny ady izay hatrehany . Maro amin’ny mpitory ny Filazantsara no miatrika ady mahamay ka mila vavaka ho fampaherezana azy ireny .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM