Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny  Tompo ny irany

Ezekiela 2.1-3,3
1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko] 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Ezekiela 2.1-3,3

Ny iraky ny Tompo

Mpaminanin’ny  fahababoana i Ezekiela . Nirahin’ Andriamanitra  hitondra hafatra  ho  an’ireo babo  tany Babylona izy . Misongadina eto  fa ny iraky ny Tompo dia:

1-Manatanteraka ny baikony

Misy baiko  maromaro  niantefa  tamin’i Ezekiela  : mitangana , maniraka anao  Aho  , hano , mitenena , vokiso ny kibonao … Tenin’ Andriamanitra manana endrika baiko  mivantana taminy ireo . Tamin’ireny  rehetra ireny  dia nanatanteraka ny  baikon’ny Tompo i Ezekiela . Tsy mba nametraka fanontaniana na nanana fisalasalana na niady varotra na nitady  fanazavana . Izany  no modelin’ny iraky  ny Tompo : manatanteraka ny baikony   tsy misy fisalasalana .

2-Manana andraikitra makadiry

Irahina  hiteny  amin’ny mpiodina , amin’ny olona  tsy mety  mihaino  , sy mafy  handrina ary madi-po sy olona ratsy fanahy   ny  mpaminany  Ezekiela . Mafy  sy mety hihatra  amana aina izany  iraka ampanaovina azy izany  kanefa  tsy maintsy  tanterahiny  satria iraka . Tsy atao noho ny safidy fa atao  satria baikon’ Andriamanitra ary mety hitera-doza  sy ho an’izay anirahana ny tsy fanatanterahana azy . Mampahatsiahy  ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny mpamafy  ity teny ity (Lio 8.4-15). Nomena andraikitra hampita  ny Tenin’Andriamanitra isika irany na hihaino  ny olona na tsia .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM