Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Marka  16.14-20
14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] 15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] 20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Marka  16.14-20

Ny  irak’i Jesoa

Anankiray  amin’ireo  Soratra masina  vakin’ny Mpiandry  mialohan’ny hanaovana asa sy fampaherezana ity mofonainantsika androany  ity  . Irahin’ny Tompo ny mino rehetra mba :

1-Handeha  any  amin’izao tontolo izao :

Fihaonana voalohany teo  amin’i Jesoa  sy ny mpianatra   11 mirahalahy  taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty  no nitenenan’i  Jesoa tamin’izy ireo  hoe : « mandehana  any amin’izao tontolo izao  ianareo ». Izay mino  ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ny maty   dia tsy mahazo mipetrapetraka foana na mihidy an-trano   fa asaina mitsangana , mandeha eny tontolo eny  manao ny asa anirahan’ny Tompo  azy . Tsy olo-tokana  no asaina mitsangana  ka miala  eo  amin’ny toerana misy azy   fa ny rehetra . Ny Fiangonana manontolo no irahin’ny Tompo ho eny tontolo eny .

2-Hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra

Mazava  ny  iraka sy ny antony  andehanan’izay rehetra mino   dia ny hitory  ny  Filazantsara  amin’ny olona rehetra . Tsy hanavahana toerana , tsy hanavahana sokajin’olona noho  izany  ny asa fitoriana ny Filazantsara  fa atao  amin’ny olona rehetra . Raha mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo  isika dia manaiky ho iraka hitory  ny Filazantsara amin’ny sokajin’olona rehetra sy ny  olona manontolo  . Iraka  tsy mifidy   tany malemy  hanorenam-pangady  na morontsiraka hialana sasatra . Miara-miasa sy manamarina ny asa fitoriana ataontsika ny  Tompo  . Koa mahereza !

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOBE FJKM