Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.
Asan'ny Apostoly 14,1 - 10
1 [Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] 2 Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy. 3 Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany 4 Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly. 5 Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony, 6 ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy, 7 dia nitory ny filazantsara tany. 8 Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra; 9 izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, 10 dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.
Asan’ny Apostoly 14.1-10
Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo.
1-Mivonona hiatrika fanoherana
Tsy nahafaly ny Jiosy sasany ny fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly sy i Barnabasy tany Ikonioma . Nisy tamin’ ireo no niatrika ny vahoaka hikomy sy hanohitra azy mirahalahy ampahibemaso sy tamin’ny heriny manontolo . Mandraka ankehitriny dia mbola maro amin’ny mpitory ny Filazantsara no miatrika fanoherana noho ny fisian’ny olona manohitra sy mandà mafy ny fivavahana kristiana .
2-Omen’ny Tompo tolo-tànana
Niitatra sy nihamafy ny fanoherana an’i Paoly sy I Barnabasy ka tonga hatramin’ny fikasana hitora-bato azy ireo . Narovan’ Andriamanitra tamin’izany tetika ratsy izany anefa ny irany ka afa-nandositra soamantsara tany amin’ny tanàna hafa (and6) . Sady fiarovana izany no fanohizana ny iraka nampanaovina . Omen’ Andriamanitra tolotsaina mandrakariva ny irany manoloana ny loza mila haningotra aina .
3-Hanehoany ny heriny
Na dia nisy aza ny fanoherana nitarika ho amin’ny fandosirana , tsy niafina mandrakizay tsy akory ny Apostoly . Nanohy ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy hatrany izy ireo nomban’ny herin’ Andriamanitra (and3b,8-10 ). Hanehoan’ Andriamanitra ny heriny mandrakariva ny irany izay matoky azy ka izany no hahasahiantsika mijoro ho vavolombelon’ny Tompo hatrany na dia mafy aza ny fandavana sy ny fanoherana .
Fanontaniana :
Tsapanao ve ny herin’ Andriamanitra miasa amin’ny alalanao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM