Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Eksodosy 4.19-23
19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. 20 Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. 22 Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; 23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Eksodosy 4.19-23
Ny iraky ny Tompo
1-Homban’ny heriny
Dingana voalohany amin’ny iraka nampanaovina an’i Mosesy ny fiverenana indray any Egypta sy ny fifanatrehana amin’i Farao . Tsy navelan’ Andriamanitra nandeha amin’ny herin’ny tenany samirery anefa izy fa nomeny antoka sy nampombainy ny heriny . Efa maty ny olona nifofo ny ainy , asaina mitondra tehina sy manao fahagagana i Mosesy ho fanehoana ny herin’ Andriamanitra miaraka aminy . Aza matahotra raha irahin’ny Tompo fa manome antoka fiarovana sy fombàna hatrany izay manaiky ho irany Izy , indrindra eo anatrehan’ny fahavalo .
2-Mitondra ny teniny
Ankoatra ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra eo anatrehan’i Farao dia irahina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra eo anatrehan’ity mpanjaka olon-dozabe sy mafy fo ity koa izy . Indraindray dia mety tsy hahafaly ny hafa na koa mety hampidi-doza ny teny hampitondrain’ Andriamanitra . Tsy maintsy hambara anefa izany satria ny iraka dia tsy afaka manova na manala na manampy izay teny nampitondraina azy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM