Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany .

Filipiana 1.12-18
12 [Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; 13 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria] 14 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra. 15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany; 16 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho; 17 fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako. 18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Filipiana 1.12-18

Mampandroso ny fitoriana ny Filazantsara

1-Ny fiaretan’ny iraka mpitory

Iray amin’ireo mpitory ny Filazantsara  tena nahavita be tokoa i Paoly Apostoly . Maro  ireo  dia misionera nataony . Nitety  tany maro noho izany izy ary nisedra zavatra maro ihany koa. Anisan’izany ny fifatorany . Na izany aza dia nanam-pifaliana i Paoly satria ny fiaretany dia anisan’ny nampandroso ny fitoriana ny Filazantsara . Tonga fantatry ny olona  i Kristy noho ny faneken’ny iraka tahaka an’i Paoly hijaly sy hiaritra ny fampahoriana noho ny Filazantsara . Manaiky hiaritra  fahoriana  ny iraky ny Tompo mba hampandroso ny fitoriana ny Filazantsara , indrindra any amin’ny toerana sarotra sy maro mpankahala ny finoana kristiana .

2-Ny fanaovana an’i Jesoa ho anton’ny fitoriana

Hafatra fototra hanirahan’ny Tompo ny mino ny fanambarana ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty  mba ho famonjena  izao tontolo izao . Ny  fanambarana izany no antom-pisian’ny Fiangonan’ Andriamanitra  azy  ka tsy maintsy  atao vaindohan-draharaha . Tokony hampandini-tena  antsika  ihany anefa ny filazan’i Paoly eto  fa misy ny manao izany  amin’ny fihatsarambelatsihy fotsiny . Misy kosa  amin’ny fifampiandaniana . Tena misy tokoa izany na dia ankehitriny izao aza saingy isika kosa  andeha ho isan’ireo iraka  mitory  an’i Kristy  amin’ny fifaliana sy ny fitiavana .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM