Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany .

Malakia 3.1-7
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Malakia 3.1-7

Andriamanitra be fitiavana

1-Miantso ny olona  hiverina Aminy

Na dia tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra aza  isika dia mbola antsoiny sy taominy hiverina Aminy  (and7). Fitiavana izany satria ny fiverenana Aminy ihany no vahaolana hialana amin’ny ota. Io no làlana ahafahana  mifandray indray amin’ Andriamanitra . Miverena amin’ Andriamanitra  fa manimba ny ota , mahatonga fisarahana amin’ Andriamanitra , mampahory  sy mampanalavitra  ny fiadanana .

2-Mitaona  ny olona hanaraka ny didiny

Ny fototry  ny ota eto  dia ny fialana tamin’ny didin’ Andriamanitra (and7) . Vokany : tonga manana ody , mijangajanga , mampahory ny mahantra sy ny kamboty ny olona . Na eo   aza izany dia maneho ny fitiavany Andriamanitra ka miala nenina mitaona  antsika hanaraka ny didiny . Tsy inona izany fa ny teniny  voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Hevero ny toetrantsika ankehitriny : maro ny milaza  ho kristiana kanefa tsy mety  manaraka izay voalazan’ny soratra masina . Saino kely anie ity e : andaniny , maro no andraran’ Andriamanitra kanefa ataontsika , ankilany kosa , maro  ireo ampanaovin’ Andriamanitra kanefa tsy tanterahantsika . Ary koa , ny jentilisa  tsy mety manao ny fanaon’ny  kristiana fa ny kristiana  kosa manaiky hanao ny fanaon’ny jentilisa . Miverena  amin’ Andriamanitra  fa tia  antsika Izy  na dia  nandika  ny didiny aza isika (Lio 5.32) .

Fanontaniana :

Inona  no hataonao raha tsapanao fa nanota ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM