Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Lioka 16.9-13
9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. 10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Lioka 16.9-13

Iraka mahatoky

1-Amin’ny kely indrindra

Mila iraka mahatoky i Jesoa ka manafatrafatra ny mpianatra mba ho azo  hitokisana amin’ny zavatra kely indrindra . Zava-dehibe no miandry   ny olona irahina hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra. Raha tsy mahatoky  amin’ny fitantanana ny haren’ny tany izy dia tsy ho azo irahina sy anankinana ny fitantanana  ny harena  sy  ny fananana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Toetran’ Andriamanitra  ny mahatoky araka ny hitantsika tamin’ny mofonaina nandritra ny volana Janoary . Tiany hanana izany toetra mahatoky izany koa isika izay manaiky ho irany.

2-Amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra. 

Mila iraka tokam-po  amin’ny fanompoana Azy  i Jesoa . Tsy  afaka ny hisahana zavatra roa indray miaraka avy hatrany  ny olona ka izany  no nitenenan’ny  Tompo  fa tsy  afaka ny ho  sady  hanompo  ny vola aman-karena isika no hanompo an’ Andriamanitra koa. Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo . Noho  izany  dia manao ho laharam-pahamehana  ny fanompoana  an’ Andriamanitra sy ny iraka ampanaovin’ny  Tompo  azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM