Vavolombelon’ny Tompo ny diakona

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Vavolombelon’ny  Tompo ny  diakona.

1-Amin’ny  fitondrantena

Olona nalain-tahaka  amin’ny  fitondrantena  tsara   sy madio  ny Diakona , na eo anivon’ny ankohonany na eny  anivon’ny fiaraha-monina . Tanisain’i Paoly  eto  ireo  toetra  iombonan’ny  Diakona  sy  ny  Mpitandrina   sy izay  tsy maintsy ananan’ny diakona  manokana (and8.12).Singanina manokana eto  koa  izay  tsy maintsy  hananan’ny vehivavy  fahamaontinana , tsy mpanendrikendrika , mahonontena ary  mahatoky  amin’ny zavatra rehetra (and11)

2-Amin’ny asa fanompoany

Irahina hanokana  ny ampaham-potoanany  sy ny hareny amin’ny fanaovana  ny asan’ny fiangonana ny Diakona . Manana anjara  amin’ny  fitaizana ny fanahin’ny  mpino  izy ireny  ka izany  no tsy maintsy  hizahan-toetra azy mialohan’ny hanokanana azy  ho amin’izany  asa fiandrasana  ny ondrin’ Andriamanitra izany .

3-Amin’ny finoany 

Ny Diakona  dia olona mahafantatra tsara  izay inoany ka miaina sy mampihatra izany  eo  amin’ny fiainany (and9). Fahadisoan-kevitra ny fiheveran’ny sasany  fa ny manao  izay hampilamina  ny fanompoam-pivavahana  ihany  no anirahan’ny  Fiangonana ny Diakona . Tsia , olon’ny finoana sy mpitazona  tsara  ny zava-miafin’ny finoana ary koa mitaiza ny finoany sy ny an’ny hafa ny Diakona . Mahazo sitraka noho izany  izy  (and13).

Fanontaniana:

Inona no azon’ny sekoly Alahady  atao  mba hanamaivanana ny asa fanompoan’ny Diakona mandritra ny  fanompoampivavahana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM