Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

1 Timoty 3.1-7
1 [Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo] 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia] 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

1 Timoty 3.1-7

Manaiky ho iraky ny Tompo ny Mpitandrina  

Misy  ireo sokajin’olona nantsoin’ Andriamanitra  sy nirahina  manokana . Anisan’izany ny Mpitandrina  izay voateny  manokana eto . Noho izany  fiantsoana  manokana izany   dia itakiana toetra manokana koa izy .

1-Eo amin’ny tenany

Mahonon-tena  amin’ny zavatra rehetra ny Mpitandrina , izany hoe :  tsy manara-po fa mahafehy  tena amin’izay  rehetra ataony  . Mitandrina  mafy  tsy ho tafalatsaka ao anaty fandriky ny fanaranam-po sy ny tsy fahalalana onony  izay  maniry  ny hanao  ny asan’ny Mpitandrina satria maro  ny fakampanahy  mety hitarika  azy ho amin’izany .

2-Eo  amin’ny ankohonany

Ny ankohonany  no  Fiangonana kely voalohany  hanirahana ny Mpitandrina . Tsy maintsy  ho tsara fitondrantena  sy tsara laza  eo amin’ny ankohonany  izy aloha . Tsy andrenesana laza ratsy  eo amin’ny fiainam-panambadiany sy ny fitondrana ny ankohonany .

3-Eo amin’ny fiaraha-monina

Tsara laza  eo  amin’ny fiaraha-monina  misy azy  ny Mpitandrina . Irahina  eny anivon’ny fiaraha-monina izy ka tsy maintsy  miezaka  mba ho ray aman-dreny fakan-tahaka  amin’ny fitondrantena sy ny atao rehetra . Tsy hoe : olona tsy misy kilema akory  izay antsoin’ Andriamanitra hanao ny asan’ny Mpitandrina  fa miezaka  kosa  izy tsy  ho azon-tsiny amin’ny famonoana izay  hataony .

Fanontaniana :

 Moa  mba efa  nitsiry  tao anatinao ve  ny hanao ny asan’ny Mpitandrina ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM