Miara-miasa amin’izay hirahiny ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jolay 2017

                            

Eksodosy 7.14-25
14 [Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy. 15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao), 16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko et? an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy. 18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao. 19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato. 20 Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; 21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. 22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. 24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily. 25 Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.

                            

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Eksodosy 7.14-25

Miara-miasa  amin’izay hirahiny ny Tompo

 

1-Miteny  amin’izay irahiny ny Tompo

Nirahin’ Andriamanitra  hisolo tena Azy teo anatrehan’i Farao  i Mosesy  . Miverina matetika  eto ny hoe : »ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy  » . Midika izany  fa ny  irak’ Andriamanitra   dia itenenany mivantana . Ao amin’izany Tenin’ Andriamanitra mivantana  aminy  izany no hahafantarany  ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny  vontoatin’ny iraka hampanaovina azy .Maniraka antsika Fiangonana htondra  ny teniny  koa ny  Tompo . Mialoha izany  anefa  dia tsy maintsy  manongilan-tsofina hihaino  ny hafatra tian’ Andriamanitra ampitondraina antsika isika .

2-Manatanteraka izay nambaran’ny  Tompo ny iraka

Rehefa  voarain’i Mosesy  tsara ny Tenin’ Andriamanitra dia notanterahiny  an-tsakany sy an-davany  . Tsy  izay  tian’i Mosesy natao  no nataony teo anatrehan’i Farao  fa izay  nambaran’ Andriamanitra   no jotanterahiny ary izay hafatr’ Andriamanitra no nambarany .Mpiara-miasa  amin’ Andriamanitra  ny olona irahiny ka Andriamanitra miteny , isika izay hirahina kosa  dia mampita  ny hafany sy manatanteraka izay nambarany. Ny iraka  manaiky  ho vavolombelon’ny  Tompo dia sahy manambara  ny hafany sy manatanteraka  an-tsakany sy andavany izay  nambarany . Izany rahateo  no maha- iraka ny iraka .

Fanontaniana:

Manana fahasahiana ho iraky  ny  Tompo   hitondra ny hafany eo anatrehan’ny manam-pahefana ve ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM