Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Asan'ny Apostoly 19.1-10
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. 8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana] 10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Asan’ny Apostoly 19.1-10
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
1-Mandeha mitety toerana maro (and1)
Tsy mandeha ho azy araka ny fomba fiteny ny mijoro ho vavolombelon’ny Tompo fa mety hiteraka zava-tsarotra tahaka izay hita eto :
1-Mandeha mitety toerana maro (and1)
« namakivaky havoana lembalemban’i Azia Minora kosa i Paoly ka tonga tany Efesosy » (and1-DIEM). Anisany nahavita fitetezam-paritra maro ny Apostoly Paoly . Ny mpitory Filazantsara manaiky ho vavolombelon’ny Tompo dia vonona handeha amin’ny toerana rehetra izay hanirahana azy . Mety handehanana an-tongotra mandritra ny ora na andro maromaro izany , iampitana rano , itetezana havoana sy lohasaha . Ny zava-dehibe dia ny hahatanteraka hy fitoriana ny Filazantsara , araka izay efa nambarany hoe: »Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy ho raharehako , satria tsy maintsy manao izany aho , fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho » (1 Kor 9.16) . Ary ianao mba ahoana?
2-Maharitra amin’ny fampianarana (and8-10)
Gaga i Paoly raha nandre fa tsy mbola nandray ny Fanahy Masina ireo mpianatra tao Efesosy , ka dia nohazavainy sy nampianariny azy ireo ny momba ny batisan’i Jaona (and 2). Nitoriteny sy nampianatra nandritra ny telo volana tao amin’ny synagoga izy , nefa tsy nety nandray ny fampianarany ireo Jiosy . Tsy nahakivy azy anefa izany . Nitondra ny mpianatra nihataka izy ka nampianatra tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano . Naharitra roa taona no nanaovany izany ka noho ny fiasan’ny Fanahy Masina dia niely eran’i Azia ny Filazantsara . Raha te-hahita vokatra isika dia tokony hanampo mandrakariva fa tsy maintsy hisy ny olana , aoka tsy ho mora kivy . Ireny olana ireny indrindra no hijoroana ho vavolombelon’ny Tompo .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM