Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
1 Petera 5.1-11
1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera] 2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo] 3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry. 4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo, 5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera] 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22). 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. 10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. 11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
1 Petera 5.1-11
Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo
1-Amin’ny anjara fiandrasana ny ondry (and1-4)
Tsy ny loholona ihany , fa izay rehetra manana andraikitra amin’ny fitondrana vahoaka no iantefan’izao fananarana izao . Ampaherezina izy ireny mba hijoro ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny andraikiny , ka hanao ny asany amin’ny fitiavana fa tsy an-tery , amin’ny fahamarinana fa « tsy amin’ny fitiavana harena maloto » (and 2) ,tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana (and3). Ny mpitondra izay manaraka izany fananarana izany no hahazo satroboninahitra tsy mety simba avy amin’i Jesoa ,Ilay Lohan’ny Mpiandry (and 4) .
2-Amin’ny fankatoavana (and5-8)
Ny tanora fanahy kosa dia anarina mba hanaiky sy hankato ny loholona , amin’ny fanetrentena rehetra , eo ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra (and 6) . Ny fanekena sy fanajana ny mpitondra araka ny sitrapon’ Andriamanitra sady fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo eo anivon’ny mpiara-belona no andrasana fahasoavana (and5).
Amin’ny fiambenana (and9b)
Asehoy amin’ny mpiara-belona fa olona manana finoana ianao ka mahonontena sy miambina mandrakariva, vonona hanohitra ny devoly fahavalo amin’ny endriny rehetra sy amin’ny fotoana rehetra , vonona hiaritra fahoriana eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa amin’ny voninahiny (and10a).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM