Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
2 Samoela 23,1 - 5
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
2 Samoela 23.1-5
Ny tombotsoan’izay manaiky ho vavolombelon’ny Tompo
Ambaran’ny Tenin’ Andriamanitra eto amin’ity toko ity fa Davida dia olona voasandratra ho ambony , voahosotr’ Andriamanitra ho ambony , voahosotr’ Andriamanitra (and1). Manana tombony lehibe mihoatra noho ny olona sasany ny iraka izay manaiky ho vavolombelon’ny Tompo satria :
1-Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny azy (and2)
Hoy i Davida: »Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy , ary mametraka ao am-bavako ny teniny (and2-DIEM) .Toy izany koa ny teny nolazain’i Jesoa raha nitsangana hamaky teny tao amin’ny Synagoga tao Nazareta Izy (Lioka 4.18) . Ny Fanahy Masina izay mitoetra ao amintsika no ahafahantsika manambara ny hafatry ny Tompo ka tsy tokony hanana fanahiana isika amin’izany .Io nobfanomezana lehibe sy sarobidy atolotry ny Tompo ho an’izay manaiky hirahiny . Io no Ilay nambaran’i Jesoa hoe: « izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina , satria tsy hitany na fantany , fa ianareo no mahafantatra Azy … » ( Jao 14.17).
2-Jehovah no manao fanekem-pihavanana aminy
Ambaran’i Davida fa Andriamanitra no nanendry azy ho mpanjaka . Nampanjaka ny fahamarinana sy ny fanajana an’ Andriamanitra izy ka izany no nahazoany fandresena sy ny zavatsoa rehetra . Ary tsy ho azy ihany fa ho an’ny taranany koa (and 5). Izay rehetra nomen’ Andriamanitra fahefana ka mampiasa izany amin’ny fahamarinana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia tsy diso anjara fitahiana avy Aminy amin’izao fiainana izao sy amin’ny ho aviny rehetra . Fa hoy i Jesoa : »katsaho aloha ny fanajakany sy ny fahamarinany … » (Mat 6.33).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM