Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

1 Korintiana 8,8 - 13
8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

 1 Korintiana 8.8-13

Mijoroa  ho vavolombelon’ny Tompo

Tsy  mitovy ny fahatanjahan’ny finoana ananan’ny tsirairay  : misy ny matanjaka , ary misy koa ny malemy. Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo

1-Amin’ny fiheverana ny hafa(and 12)

Ny kristiana  matanja-tsaina , manao azy ho manana fahafahana ka sahy mihinana hena natao sorona ho  amin’ny sampy no anarin’ny Apostoly eto .Na dia manam-pahalalana sy olona afaka aza isika dia aoka hihevitra  ny hafa. Mety  misy zavatra ataontsika , na hanina , na fisotro  izay tsy mampaninona antsika , satria madio  eritreritra isika , mety  misy toerana na fanasana azontsika aleha , satria tsy manameloka  antsika ny fieritreretantsika (and8), kanefa  aoka hitandrina  sao ny fahafahantsika ho tonga fahatafitohinana  ho an’ny sasany (and9). « Fa verin’ny fahalalanao  ny malemy... »(and11).Ambaran’ny fiheverana  ny hafa (and12) . Hoy  koa i Jesoa : « fa na zovy na zovy  no hanafitohina  na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra  ho azy  raha anatonana  vato lehibe fikosohambary ny vozony , ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy » (Mat 18.6) .

2-Amin’ny fandavantena  (and13)

Ambaran’ny Apostoly  fa aleo lavitra ny tsy mihinan-kena  mandrakizay  toy izay hanafitohina ny rahalahiny . Ny fitiavana ny namana dia mitaky fandavantena toy izany .Tsarovy fa ny fanetrentena  lalina  nasehon’i Jesoa Kristy no  nitondra famonjena  ho antsika mpanota . Tena fahafoizan-tena tokoa ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo  .

Fanontaniana:

Mety amin’ny kristiana ve  ny manatrika lanonanana amin’ny famadihan-drazana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM