Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo  ny irany

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo  ny irany

Jaona 20.21-31
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. 24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. 25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. 26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. 30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity; 31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo  ny irany

Jaona 20.21-31

Maniraka  antsika ny Tompo

Rehefa  nitsangana  tamin’ny maty   Jesoa dia niseho  indray  tamin’ny mpianany   sady nampahery  azy ireo  mba ho  vavolombelony  . Ireto  no takin’ny Tompo  amintsika  manaiky   ho  iraka  sy ho vavolombelony :

1-Hanohy  ny asa  efa natombok’i Jesoa  (and 21)

Tahaka izay nanirahan’ny Ray  Ahy an’i  Jesoa  koa no  nanitrahany  ny mpianany  , ary toy izay nanirahan’i Jesoa ny mpianany   no hanirahany   antsika koa . Izany  dia ny hitondra  famonjena  ho an’izao tontolo izao hialany  amin’ny fahotana sy ny sy finoana . « Fa  Andriamanitra  tsy naniraka ny Zanaka  ho amin’izao tontolo izao  hanameloka  izao tontolo izao  fa mba hamonjeny izao tontolo izao »  (Jao 3.17)

2-Handray ny Fanahy Masina (and22)

Efa  nampanantena ny mpianany  ny Tompo  fa hanome  ho azy ireo   ny Fanahy Masina  . Tsy afaka  hanatanteraka  irery  ny asa miandry  antsika  isika  raha  tsy eo  ny fitarihan’ny Fanahy Masina , izay hany   afaka  hanampy  ny fiangonana hahafahany  mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo eto amin’izao  tontolo izao  . Raiso  amin’ny finoana  fa efa  nomen’i Jesoa  ho anao ny Fanahy Masina.

3- Hampiorina finoana(and27)

Maro amintsika  no tahaka  an’i Tomasy  :tsy mety  mino   raha tsy mahita . Ampy  ho fanoreanna ny finoantsika ny Tenin’ Andriamanitra sy ny famantarana  ny amin’ny sakramenta . « Fa  voasoratra izao  mba hinoanareo  fa Jesoa no Kristy  Zanak’ Andriamanitra , ary mba  hananareoa finoana amin’ny Anarany raha mino  ianareo(and31). Maneke an’i Jesoa ho Tompo sy Andriamanitra ka minoa Azy .

Fanontaniana:

Inona  amin’izay asa efa  nataon’i Jesoa  no mba  efa nataonao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM