Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany 

1 Petera 1.13-16
13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany 

1 Petera 1.13-16

Hafatra ho antsika izay manaiky
ho vavolombelon’ny Tompo 

1-Aoka ho vonona (and13)

Ny teny hoe: « sikino ny sainareo  » dia fanentanana mba ho vonona hanao ny zavatra rehetra ilaina hanatanteraka ny maha- kristiana amin’ny fiatrehana ny fitsapana maro, na fahoriana izany na fakampanahy na fizahantoetra mahamay na fanenjehana … Ireny rehetra ireny no hanehoana fahavononana ka ijoroana ho vavolombelon’ny Tompo .

2-Aoka hahonon-tena 

Ny kristiana dia olona mahafehy ny tenany : tsy olona mpanaram-po amin’ny fahamamoana . Ny olona mamo dia tsy tompon’ny tenany intsony fa baikon’izay zavatra nahamamo azy hanao fanaranam-po sy filan-dratsy . Anarina ny mpino mba tsy ho mamon’ny zavatra momba izao fiainana izao ,tsy hitondra tena araka ny filàna fahiny (and14).

3-Aoka hanana fanantenana (and13)

Aoka tsy ho mora kivy, tsy mora reraka , na inona na inona mihatra . »Antenao tsara » na »aoreno tsara » ny fanantenana ny fanomezan-tsoa na valisoa omen’i Jesoa Kristy amin’ny fisehoany. Ny olona manana fanantenana toy izany no sahy mijoro ho vavolombelon’ny Tompo .

4-Aoka ho masina (and15,16)

Tsy maintsy ho madio fitondrantena ny kristiana eo anatrehan’ Andriamanitra izay niantso sy naniraka azy , ary koa eo anatrehan’ny olona izay mbola tsy mino. Ny fitondrantenan’ny kristiana no toy ny boky vakin’ny manodidina tsy mino ka manova toetra azy ;

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM