Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Jeremia 26.8-15
8 Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao. 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah. 10 Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah. 11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo. 12 Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity. 13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo. 14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Jeremia 26.8-15

Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo 

Jeremia dia isan’ireo mpaminany izay azo lazaina fa nahita fahasarotana sy niatrika fisedrana mahamay tamin’izay iraka nampanaovina azy . Raha vao tapitra ny tenin’i Jeremia dia nosamborin’ny olona nihaino azy izy sady nokasain’ireo hovonoina. Izao no lesona ho antsika :

1-Ambarao mahitsy ny hafatry ny Tompo (and 12-15) 

Miteny amin’ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka manontolo ary ny mpanapaka ny mpanapaka ny hafatra. Nolazainy tamin’izany ny haratsian’ny fahotan’ny olona sy ny fanozonana hihatra amin’i Jerosalema vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’i Jehovah . Izany teny nentiny izany no iampangana azy ho manao teny faminaniana manohitra sy milaza loza ho an’ny tanàna (and11). Nankahalana azy sy nifofoana ny ainy izany. Tsarovy fa tsy voatery ho izay mahafaly ny olona na izay metimety aminy ihany no tsy maintsy hambaran’ny fiangonana, fa izay mety hanafintohina koa aza. Tsy midika anefa izany fa izay rehetra halan’ny olona na manao teny manafitohina dia iraky ny Tompo avokoa .

2- Aza matahotra (and 8-11)

Nosamborina i Jeremia. Toa nohararaotiny aza izany fotoana izany ka nahafahany nananatra ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra. Tsy nitandro ny ainy izy, fa sahy nijoro ho vavolombelon’ny Tompo, araka izay nambarany hoe: » …satria Jehovah tokoa no naniraka ahy hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo » (and 15). Isika Fiangonana no iraky ny Tompo hanambara ny teniny. Aoka isika ho sahy hijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika ka tsy ho menatra na hatahotra olona .

Fanontaniana:

Inona no sakana mety tsy hahafahan’ny olona manambara am-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM