Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Jaona 17.6-19
6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Jaona 17.6-19
Jesoa iraka manaiky ho vavolombelona
Ny fifandraisan’i Jesoa amin’ Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny vavaka no hitantsika eto . Jesoa no nirahin’ Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao . Ny tena vavolombelon’ny Tompo dia izay nirahiny hanao asa , ary rehefa izany dia tsy mijanona fotsiny amin’izao fa:
1-Manao tatitra momba ny asa nanirahana Azy
Ny mikasika, satria izany no baiko hanirahan’ny Tompo ny mpianany no hanaovan’i Jesoa tatitra amin’ny Ray . Zava-dehibe tokoa ny manatanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara sy ny fanaovana Tafika masina satria izany no baiko hanirahan’ny Tompo antsika . Tsarovy fa ireny asa ireny dia tokony hanaovana tatitra mazava eo anatrehan’ izay naniraka antsika . Ka amin’ny alalan’ny vavaka no hanaovana izany . Ambara avokoa ny mombamomba ireo olona izay nanirahana , ny toetoetran’ny asa notanterahina ny fizotry ny asa sns… Raha mijery tsara isika dia hahita fa hatramin’ny lafin-javatra madinika mihitsy izany tatitra am-bava nataon’i Jesoa momba ny asany izany .
2-Mivavaka ho an’izay handimby sy hanohy ny asa
Ireo mpianatra ireo no hanohy ny asa nataon’i Jesoa rehefa lasa Izy . Izany no nilazany hoe: »Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho , fa izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao » (and11) . Nangataka tamin’ny Ray Izy ny mba hiarovana azy amin’ny ratsy sy hanamasinana azy ireo (and 15,17). Ny iraka vavolombelona dia mivavaka ho an’izay handimby azy amin’ny asa fanompoana mba hahavitany bebe kokoa .
Fanontaniana :
Efa nanaovanao tatitra teo anatrehan’ny Tompo ve ny asa nanirahany anao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM