Vavolombelon’ny Tompo  ny  Fanahy Masina

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Jona 2017

Vavolombelon’ny Tompo  ny  Fanahy Masina

1 Samoela 10.9-13
9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy. 11 Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
Vavolombelon’ny Tompo  ny  Fanahy Masina

1 Samoela 10.9-13

Jehovah  mandatsaka  ny Fanahiny  amin’i Saoly

1-Manome fo vaovao  an’i Saoly

Manambara  ny  fanovan’ Andriamanitra  ny maha-olona manontolo  ny fanomzany fo vaovao . Hifamatotra amin’ Andriamanitra feno  sy  ho eo  akaikiny  i Saoly . Asan’ny Fanahy Masina  ny manova fo  . Tsy mari-pototra izany   ny fiovan’ny toe-panahy sy  ny toetran’ny olombelona raha tsy  vokatry  ny Fanahy Masina . Hitarika an’i Saoly hanaovany  ny  sitrapon’ Andriamanitra ny Fanahy Masina . Ireo zavatra  nambaran’i Samoela mpaminany tamin’i Saoly  , rehefa  nifanena  taminy izy  dia tanteraka  avokoa (and2 .3-4 -5 -6). Miankina tanteraka amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny  fanompoana  izay  horaisiny , tsy ondry iray intsony no  hotadiaviny  fa ny  firenen’ Israely  rehetra . Tendrena  hanompo  ny  Tompo  i Saoly  mpanjaka .

2-Manendry an’i Saoly  ho  Mpaminany

Ataon’ny  Fanahy  Masina ho  mpaminany  i  Saoly . Ny  mpaminany  dia   tsy mpilaza  ny ho avy fotsiny   , fa ny fanambarana ny  Tenin’ Andriamanitra mabontolo  amin’ny fiainana manontolo  . Tanteraka izany  « rehefa  nifanena  tamin’ny mpaminany  iray dia izy »(and10). Mialoha  ny hampitoerana  an’i Saoly    ho  mpanjaka  dia nofenoina  ny Fanahy Masina izy mba hitarika  azy sady  hankatoavany ny  Tenin’ Andriamanitra . Tefena ho  mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra aloha izy mba hahatsiarovany  fa ny sitrapon’ ny  Tompo  no hotanterahany  eo amin’ny fitarihany  ny Zanak’ Israely

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

……………………………………………………………………………………………………