VAVOLOMBELON’NY  FANANARANY  NY  TOMPO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Martsa 2017

VAVOLOMBELON’NY  FANANARANY  NY  TOMPO

AMOSA 8.1-14
1 [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra. 2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho. [Heb. handalo azy] 3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly] 4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary? 7 Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza! 8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta. 9 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany; 10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay] 11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary] 12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita. 13 Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy, 14 Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.

VAVOLOMBELON’NY  FANANARANY  NY  TOMPO

AMOSA 8.1-14

Ilay Andriamanitra  mananatra ny olony

 

1-Andriamanitra  mahita  ny fiainan’ny olona

Miaina  anaty  faharatsiana tanteraka ny olona . Manjaka  ny fitiavantena  ny tsy fiheverana ny hafa. Mijanona ho fombafomba  ny fivavahana . Mamatotra  ny  toetra  faharatsiana .Miseho  ny fanambakana  ny hafa , fanaovana  varotra tsy araka  ny  tokony  ho izy  ( mangala-danja ary vary ratsy no amidy ) , misy  aza ireo  miezaka  manao  izay hampahantra  ny mpiara-belona  aminy  amin’ny alalan’ny fanambakana  samihafa . Tsarovy  fa tsy  misy  miafina amin’ Andriamanitra  ny  ataonao . Noho  izany  , ialao  ny faharatsiana . Mirosoa  ho amin’ny  fivavahana marina.

2-Andriamanitra mamerina  ny olona  amin’ny  marina

Miharihary  eto  fa mamaly  ny olona  araka ny asa nataony  Andriamanitra . Tapaka  ny fifandraisan’ny olona  Aminy  , fitsarana  miavaka  no ataony  entina  manitsy  sy mananatra ny olona .  Miova manontolo . Hiaina    ao anatin’ny aizina  ny olona satria  tsy hiseho  ny masoandro . Fijaliana  sy fahoriana  lehibe  no hanapaka  ny fiainan’ny olona indrindra  ireo  nanambaka ny mpiara- belona taminy . Fitiavana Andriamanitra , tsy avelany hitoetra  amin’ny faharatsiana ny olona noho izany  mananatra sy  manitsy  Izy . Raiso am-pitiavana  izay fananarana ataony ho anao  ka manaraha Azy amin’ny làlana marina .

Fanontaniana :

Nahoana  no misy  olona miandry  anarina vao mibebaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE  FJKM