VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Febroary 2017
VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
HEBREO 10.11-18
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: 16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
HEBREO 10.11-18
Ny fanatitra nataon’i Kristy
Teo amin’ny Jiosy dia tsy tapaka isanandro ny fanaovana fanatitra , misy ny maraina , misy ny hariva (Nom 28.26). Ambaran’ny Soratra masina eto ny mampiavaka ny fanatitra izay nataon’i Kristy .
1-Indray mandeha monja (and11,12)
Izay nataon’i Kristy ho antsika kosa dia hafa satria : indray mandeha monja (and12) ary ampy ho famonjena antsika rehetra . Nanolotra ny tenany hanao ny ny sitrapon’ Andriamanitra Izy , ny fiainany manontolo mihitsy no fanatitra velona fa tsy ny fahafatesany ihany . Efa vitany ny fisoloana heloka antsika rehetra , araka ny voasoratra hoe : « … Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika , sy notorotoroana noho ny helotsika , ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy , ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika » (Isa 53.5) .Minoa fa efa voavela ny fahotantsika noho izay nataon’i Kristy .
2-Maharitra mandrakizay (and14)
Teo amin’ny Jiosy , ny fanatitra natao omaly dia tsy ampy ho an’ny andro androany , ka izany no namerimberenana azy. Fa ny an’i Kristy kosa , rehefa natao indray mandeha dia mahavita miantoka ny fiainantsika haharitra mandrakizay .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM