Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Febroary 2017
Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
JAONA 7.37-39
37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina]Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
JAONA 7.37-39
Jesoa no rano velona mahafaka hetaheta
Na eo aza ny rano sotroina isanandro dia mihatra amin’ny olona rehetra kosa ny hetaheta ara-panahy . Zavatra telo no ambaran’i Jesoa ho anao anio .
1-Mahatsiarova ho mangetaheta
Tsy hitady rano ny olona raha tsy mahatsiaro ho mangetaheta , tsy hahatsiaro hitady an’i Jesoa ny olona raha tsy mahatsiaro tena ho mpanota . Ilay mpamory hetra nandeha tany amin’ny Tempoly mba hivavaka dia nanao hoe : « Mamindra fo amiko mpanota » . Mahatsiarova tena! .
2-Aoka hanatona ny rano
Rehefa nahatsiaro ho namadika Rà marina i Jodasy dia tsy nanatona an’i Jesoa mba hibebaka izy fa namoy fo ka lasa namono tena . Tsy ampy ny fahatsiarovana fotsiny ho mangetaheta kanefa tsy misy ezaka atao . Tahaka izany ireo olona izay mahalala fa tena ilaina ny mandeha miangona any am-piangonana kanefa tsy manetsika ny tongony akory .
3- Misotroa!
Rehefa nasain’ Andriamanitra hikapoka ny vato i Mosesy dia nivoaka ny rano ho an’ny olona izay nangetaheta . Raha sendra tsy nisotro izany kosa ny olona dia hangetaheta ihany izy na dia efa eo aza ny rano . Hoy i Jesoa : « izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony »(and38).
Fanontaniana :
Aiza ho aiza amin’ireo dingana ireo no misy anao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM