VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

JEREMIA 31.31-34
31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony] 33 Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. 34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

JEREMIA 31.31-34

Manavao ny fanekeny amintsika ny Tompo

Nanao fanekem-pihavanana ny Tompo fa Izy no ho Andriamanitry ny Israely , ary ny Israely kosa ho olony . Notsipahin’ny Zanak’Israely anefa izany fanekena izany , ka indro Izy fa manorina fanekena vaovao indray : Fanekena toy inona ?

1-Fanekena aorina ao anaty (and33)

Vato fisaka roa no nasain’i Jehovah nanoratan’i Mosesy ny fanekeny ka toa ivelan’ny fiainan’ny olona ihany izany . Fa ankehitriny kosa dia haorina ao am-pon’ny olona izany . Manambara izany fa ny Tompo mihitsy no miditra amin’ny fiainantsika ka manao izay hahatanteraka ny famonjena ho antsika , araka ny teny hoe : « …teo amin’ny vato fisaka nofo, dia ny fo » (2 Kor 3.3) . Jesoa Kristy no fanekena vaovao ho antsika . Koa raha manaiky Azy ho Tompo amin’ny fontsika tokoa isika dia izany no famonjena sy fiadanana .

2-Fanekena mitondra famelan-keloka(and34)

Izy Tompo mihitsy no manao izay hahalalan’ny olony Azy amin’ny alalan’ny fametrahany ny Teniny ao an-tsaina sy ao am-po , ary indrindra indrindra amin’ny alalan’ny famelany ny heloka rehetra . Izay voavela heloka dia tonga mahalala an’ Andriamanitra . I Jesoa no mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Mino ve ianao fa efa navelan’ Andriamanitra avokoa ny helokao rehetra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM