VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Febroary 2017
VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
1 Timoty 6,11 - 16
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
1 TIMOTY 6.11-16
Miadia ny ady tsaran’ny finoana
Manana ady isanandro isika kristiana . Miseho amin’ny endrika maro samihafa izany ka tokony ho malina isika . Anisan’izany ny ady amin’ny fampianaran-diso izay antsoiny hoe : « fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia » (1 Timoty 4.1) sy ny fandriky ny fitiavan-karena tafahoatra (and3-10). Inona àry no tokony hatao manoloana izany ?
1-Mandosira (and11)
Ny hoe : « mandositra » dia manalavitra . Halaviro ny fanarahana fampianarana hafa izay tsy manaiky ny teny tsy misy kilema nambaran’i Jesoa Kristy . Manohitra ny fivavahantsika ireny ka mahatonga fieboeboana sy fiadian-kevitra , fialonana, fifandirana, fanevatevana… »(and3-4 DIEM) . Halaviro ny fitiavana harena tafahoatra. Ny fitiavambola no fototry ny ratsy rehetra . Ny olona sasany fatra-pitady izany dia efa tafavily niala tamin’ny finoana (and10). Mahaiza mianina amin’izay ananana .
2-Mitandrema mba tsy hanan-tsiny (and14)
Izany no filamatra tsy maintsy hanorenan’i Timoty ny asa fanompoany mandra-piavin’ny Tompo. Ady sarotra izany raha amin’ny maha- olombelona fotsiny amin’izao , nefa azo antoka fa raha mandray an’i Jesoa ho ao am-po isika dia hitoetra ho tsy manan-tsiny eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny andro ihaviany indray .
Fanontaniana :
Tsy tokony hanan-karena ve izany ny kristiana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM