VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

2 SAMOELA 7.25-29
25 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. 26 Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao. 27 Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao*; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao] 28 Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao, 29 dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

2 SAMOELA 7.25-29

Ny  vavaky  ny  mpanjaka

 

Nanome fampanantenana  ho an’i Davida mpanjaka ny Tompo  fa hitahy  azy sy hahalehibe ny anarany. Izany no nanetsika  ny fon’ny mpanjaka hanandratra vavaka . Misy fizarana roa ilay vavaka , ka ao anatin’ny fizarana faharoa (and22-29) no hitantsika eto .

1-Apetraka eo anatrehan’ny Tompo  ny fitondrana

Hoy ny and 25 : « Ankehitriny  ry Tompo Andriamanitra ô ny fampanantenana nolazainao  momba  ahy  sy ny taranako  dia tano mandrakizay  ary ataovy araka izay efa nampanantenainao «  (DIEM). Ekeny fa Andriamanitra  no efa nifidy  ny vahoakan’Israely . Izy  no nametraka  an’i Davida  ho eo amin’ny seza fiandrianana maha-mpanjaka . Izay rehetra manana fahefana sy mipetraka  eo amin’ny toeran’ny mpitondra dia tokony hanetry tena sy hahatsiaro fa Andriamanitra  no nanendry  azy . »Fa tsy  misy fahefana  afa-tsy  izay  avy amin’ Andriamanitra , fa izay  misy  dia voatendrin’ Andriamanitra » (Rom 13.1).

2-Mivavaka  ho an’ny taranany

Hoy ny and 29 : « …dia aoka  ho sitrakao  ny hitahy  ny taranaky ny mpanomponao  haharitra mandrakizay eo anatrehanao… ». Aoka hametraka  ny ho avin’ ny taranaka  eo ampelatànan’ny Tompo isika . Adidintsika ny mivavaka  sy mitaona azy ireo hanara-dia  an’i Jesoa .

Fanontaniana :

Nahona  no misy kristiana tsy  mahataona  ny ankohonany hivavaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM