VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

Salamo  105.7-15
7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany. 8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby, 9 Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka; 10 Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely, 11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina, 12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao, 13 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa, 14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: 15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Salamo  105.7-15

Ankalazao   ny Tompo Andriamanitsika

Ity Salamo  ity dia Salamo  izay natokana  hiderana  an’ Andriamanitra  . Mitodika  amintsika rehetra  ny hafatra « … dia ianareo  olom-boafidiny »…(and 6)

1-Mahatsiaro  ny fanekeny  mandrakizay Izy  (and8)

Tsaroany  hatrany   ny fanekem-pihavanany  dia ny fampanantenana  izay nataony  ho an’ny taranak   arivo  mifandimby . Tanisaina  eto izay   nataony tamin’i Abrahama sy Isaka  ary Jakoba  mba ho  vavolombelon’ny fanekem-pihavanana izay  nataony   amin’ny olom-boafidiny (and 8,9,10). Ny fanomezany  ny tany Kanana (and11)izay  tandindon’ny fanomezany  antsika  fiadanana  maharitra  mandrakizay  ,ary  ao amin’ny finoana  an’i Jesoa Kristy  no fahatanterahan’izany ho antsika .

2-Mitantana  ny fiainantsika Izy (and 12,13,14,15)

Làlan-davitra  sy sarotra  no nitantanany  ny vahoakany   : tao ny fotoana nivahinianana nitety  firenena maro (and12) , ny fitsapana samihafa … Nitantana  azy tamin’izany  ny Tompo sady niaro azy ka tsy  namela ny hafa firenena sy ny mpanjaka hamely azy . Raha mitodika  amin’ny lasa isika  dia hahatsiaro fa Izy no nitantana  sy niaro antsika tsy ho  azon’ny loza sy ny fahavalo . Ary mbola  mitantana  antsika  hatrany Izy   amin’ny andro rehetra ivahiniantsika ety an-tany mandra-podiantsika ho any Aminy .

Fanontaniana:

Afaka hijoro  ho vavolombelona   ve ianao fa mitantana  ny fiainanao Izy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM