VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Talata, faha 14 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

EKSODOSY  19.3-6
3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely: 4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho at? amiko. 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

EKSODOSY  19.3-6

Manao ny fanekeny  amintsika Andriamanitra

Rehefa niala tany Egypta ny Zanak’ Israely tonga tany anefitra tandrifin’ny tendrombohitr’i Sinay .Niantso  an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra Jehovah mba hanambarany ny fanekem-pihavanana . Izany dia mba :

1-Ho vavolombelon’ny teny fampanantenany

Fony niandry Mosesy , dia niseho taminy ny Tompo ka niantso   azy hitondra ny Zanak’ Israely hiala  any Egypta . Hoy   ny teniny tamin’izay : « …Dia  hanao fanompoam-pivavahana  Amiko    eto amin’ity tendrombohitra  ity ianareo »  ( Eks 3.12 DIEM). Tanteraka  teto   izany  fampanantenana  izany  . Tsy   izay   tsy  ho tanteraka  izay  rehetra nampanantenain’ny Tompo . Efa  nampanantena  Izy   fa hamonjy   sy hanafaka   amin’ny fahotana . Tanteraka  ho antsika izany   fanekem-pihavanana  vaovao   izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy  .

2-Hahatonga  antsika  ho voatokana  ho Azy (and5,6)

Tonga « vahoaka voafidy , fanjaka-mpisorona ho Azy ho  an’ Andriamanitra  izay rehetra  anaovany fanekena (1 Petera 2.9-10) . Sarobidy   eo anatrehan’ Andriamanitra  isika . Izany  no antony  namonjeny antsika . Voatokana  hanao  ny sitrapony  sy hanompo  Azy isika . Tombotsoa lehibe  ananantsika mihoatra  noho ny olona  rehetra izany .  Koa  aoka  isika  handeha  miendrika  izay efa  niantsoany  sy nanavotany  antsika  ho vavolombelon’ny fanekeny .

Fanontaniana :

Hanao inona  no antony nifidianan’ny Tompo anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM