VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

ROMANA 3.21-26
21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana] 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

ROMANA 3.21-26

Nohamarinin’ Andriamanitra isika

Mpanota avokoa ny olombelona rehetra . Fantatsika tsara koa anefa fa tsy manana anjara ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izay rehetra manota ary mendrika hohelohina . Mampiharihary ny fahasoavan’ Andriamanitra ny Soratra masina ka manambara fa :

1-Tsy avy amin’ny lalàna ny fanamarinana antsika(and21)

Raha ny lalàna dia tsy misy azo hamarinina isika . Ny lalàna dia vao mainka mampiseho miharihary ny tsy fahamarinantsika eo anatrehan’ Andriamanitra . Ary izany no nahazo ireo Jiosy izy nirehareha fatratra amin’ny fitandremana ny làlana , kanefa dia tsy mety tonga ho amin’ny fahatanterahana . Inona àry no hanamarinanna antsika ?

2-Fanamarinana avy amin’ ny finoana an’i Jesoa Kristy (and22)

Ny finoana an’i Jesoa no hahazoana antoka fa nentiny avokoa ny fahotantsika rehetra . Izy no nanaiky hohelohina sy hohomboana teo amin’ny hazo fijaliana mba hahafahana antsika amin’ny fanamelohan’ny lalàna . Izy no Avotra noho ny fahotantsika rehetra (and25,26) . Ny tsy finoana no mahatonga antsika hisalasala ny amin’ny fahazoana ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay . Minoa an’i Jesoa dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao .

Fanontaniana :

Azonao antoka ve fa efa novonjen’i Jesoa ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM