VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Febroary 2017
VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO
GALATIANA 3.15- 18
15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na: didim-pananana] 16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany. 17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana. 18 Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
GALATIANA 3.15- 18
Tsy miova ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama .
Kristy no fahatanterahan’izany teny fikasana izany . Mahatratra ny taranaka mifandimby amin’izay matoky Azy ny fanekempihavanany . Ny hafatra ho antsika avy amin’izany :
1-Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny teny fikasan’ Andriamanitra
Izay efa neken’ Andriamanitra hotanterahina eo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy tanteraka . Efa nampanantena famonjena sy fanavotana ho antsika Izy , ary ny fahatongavan’i Jesoa sy ny fandraisantsika Azy no fahatanterahan’izany . Efa nampanantena antsika ny Tompo fa izay rehetra mino ny fitiavany dia tsy ho very fa hanana anjara ao amin’ny fiainana mandrakizay .
2-Tsy mahafoana ny teny fikasana ny lalàna (and18)
Ny lalàna dia mampiharihary amintsika ny ratsy , mampahafantatra antsika ny fahadisoantsika . Raha ny lalàna dia tsy misy azo hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra isika rehetra . Ny fahatanterahan’ny teny fikasana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no hananantsika antoka fa voavela heloka isika ary afaka amin’ny fanamelohan’ny lalàna .
Fanontaniana :
Azonao antoka ve fa efa voavela ny helokao rehetra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM